・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・◆◇◆ Select Language ◆◇◆・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・
Chinese ・ English ・ Indonesian ・ Korean ・

 Spanish ・ Thai ・Malagasy・ Vietnamese ・ Bengali 
・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・・

2021/12/16

Mankafia ny hakanton'i Yamanashi amin'ny fararano

 

Mpianatra malagasy mankafy ny fitsangantsanganana am-bisikileta eto Kofu


Salama!

Zy no anarako ary avy any Madagasikara aho. Izaho dia mpiofana maharitra ny JICA ary mianatra ao amin'ny Oniversiten'i Yamanashi.

Tamin'ny herinandro lasa dia nandray anjara tamin'ny aho izay nokarakarain'ny tanànan'i Kofu izay tafiditra ao anatin'ny fankalazana ny faha-500 taonan'i Takeda Shingen.

Hitako bebe kokoa ny hatsaran'ny tanànan'i Kofu nandritra ity fitetezana bisikileta ity. Ny prefektioran'i Yamanashi dia manana tendrombohitra be dia be sady feno toerana mahafinaritra. Nitsidika toerana manan-tantara, ara-kolontsaina ary ara-panahy maro manodidina ny faritra mifandraika amin'ny fianakaviana Takeda izahay toy ny Tempolin'i Zenkoji malaza, Tempolin'i Nojoji ary Tempolin'i Tokoji. Nanana fahafahana nandray anjara tamin'ny fisaintsainana Zazen (meditation) koa aho izay nankafiziko ny kolontsaina Japoney. Tena niavaka ity fitsangantsanganana am-bisikileta ity satria niaraka tamin'ny olona maro avy amin'ny firenena samihafa aho. Nankafizinay ny fahasamihafàna, nahafinaritra ny nitazana an'I tendrombohitra Fuji ary ny fiovan`ny lokon`ny ravina  amin`ny andro fararano izay antsoina hoe"Koyo" teo am-bisikileta. Tena matihanina ny mpikarakara ary tena sariaka ny mpitaingina bisikileta.

Nahafinaritra ahy ny fitsangantsanganana am-bisikileta, tena faly aho.!

Mbola vonona ny handray anjara indray amin'izay hetsika manaraka!

Raha tia zavaboary ianao dia manasa anao aho hitsidika an'i Yamanashi 😊